AMBOHIMANDROSOHASINA

avy amin'i avy amin'i Nym
Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:
Aiza no misy an’Ambohimandrosohasina ?
Iza moa Andriampalimanana ?
Ny niavian'ny anarana "Ambohimandrosohasina
Ny tantaran'ireo Andrianan'Ambohimandrosohasina
Ireo tantaram-pianakaviana sy zavatra mampiavaka an'Ambohimandrosohasina

a)Ireo fady amin’ny vohitra
b)Ny maha tsy idiram-binanto ny fasam-pianakaviana
d)Ny amin-dRamena

Aiza no misy an’Ambohimandrosohasina ?


Ambohimandrosohasina dia vohitra kely ao amin'ny fizaran-tanin'Avaradrano, tokony ho eo amin'ny 2,5 km eo atsinanan'Ambohimanga, eo amin'ny Mandiavato . Amin'iny lalana mizotra mankany Anjozorobe iny no lalana mankany, ka sahabo ho eo amin'ny 4km tsy hiditra ny tananan'i Talatanivolonondry no mivily miankavia.

Ambohimarirana no anarany teo aloha, fa vao novan'Andrianampoinimerina ho Ambohimandrosohasina nony nomeny an-dRazakabezafy ho menakeliny ilay vohitra. Ankehitriny dia tafiditra ao anatin'ny Fokontanin'Ambodiala ao amin'ny Kaominina Talatanivolonondry ny vohitr'Ambohimandrosohasina


Ny fiavian'ireo Andriana avy eo Ambohimandrosohasina


Ireo Andriana avy eo Ambohimandrosohasina dia taranak’ANDRIANAVALONIMERINA, Mpanjakan’ Ambohitrabiby, zanak’ ANDRIAMASINAVALONA Mpanjakan’Antananarivo(1675-1710) sy RANAVALOTSITAKATRINIMERINA avy eo Ambohitrabiby. Torak’izany koa ireo Andriamasinavalona rehetra amin’ny vohitra manodidina(Ambatofisaorana, Andranovelona,…)

Maro koa anefa ireo loharano milaza fa taranak’ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANDRAZAKA izy ireo, ary taranany avy amin’ANDRIAMBELOMASINA Mpanjakan’Ambohimanga. Ity farany dia nanan-janaka maro toa an’ANDRIANTSIMITOVIZAFITRIMO izay napetrany teo Ambatomanoina, na koa i RANAVALONANDRIAMBELOMASINA renin-dRamboasalama (Andrianampoinimerina), ary isan’izany i ANDRIANJAKAZAFINDRALAMBO, izay heverina ho isan’ny zandriny indrindra tamin’izy mianadahy avy.

Nony lasan’ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANDRAZAKA , zokin’Andrianavalonimerina ary Mpanjakan’Ambohimanga  Ambohitrabiby, dia nanoa ny taranak’ity farany ka tsy nandova fanjakana. Na teo aza izay toe-javatra izay dia tsy nesorin’ANDRIAMBELOMASINA tamin’ny vodivona i Andrianavalondambozafy (na Andriantsalamanavalonimerina araka ny soratra napetrak’Andrianatoro tamin’ireo taranany) zanak’Andrianavalonimerina, ary dia nomeny ny ampahadimin’ny Mandiavato. Tokony ho tafiditra tao anatin’izay ny vohitr’Ambohimarirana.

Raha alalinina ny tantara dia nalefan’Andriambelomasina hanambady ny taranak’Andrianavalonimerina teo Ambohimarirana i Andrianjakazafindralambo, ka niteraka an-dRAZAKABEZAFY. Ny vohitra dia niombonan’ireo taranak’Andrianavalonimerina sy ny zanak’Andrianjakazafindralambo ary nonenan’ireto farany.

Ny niavian'ny anarana "Ambohimandrosohasina


Tamin’ny fotoana nametrahana an-dRamboasalama ho Mpanjaka ka nanesorana an’Andrianjafy anadahin-dreniny, dia isan’ny nanaiky ity voalohany ary voalohany indrindra tamin’ny Andriamasinavalona i RAZAKABEZAFY (zanak’Andrianjakazafindralambo) (marihina tsara hatrany fa i Razakabezafy sy Andrianavalontsimitovy napetraka teo Mananina no Andriamasinavalona voalohany indrindra nankatoa an’Andrianampoinimerina fony izy vao Ramboasalama fa tsy i Andrianavalondambozafy sy ireo zanany telo lahy izay nitaona ny Zafinandriamamilaza hankatoa azy teo Andranovelona akory, seho izay nipoitra mety taoriandriana kely), hany ka nasondrotr’Andrianampoinimerina ho anisan’ireo Roambinifololahy nampanjaka azy ary novaliany soa, ka nomeny an’Ambohimarirana, izay menakely iombonana teo aloha, ho menakeliny manokana sy ho an’ny taranany.

Mampandroso hasina ahy Razakabezafy”,hoy Andrianampoinimerina,” ka hovako ho AMBOHIMANDROSOHASINA ny anaran’Ambohimarirana”. Araka ny fanao dia nisy ny vatomasina napetrak’Andrianampoinimerina nanamarihany izay fankasitrahany an-dRazakabezafy izay, eo afovoan’ny kianja (mbola mitoetra ao mandrak’ankehitriny io vatomasina io – tsara ny mampatsiahy fa ny kianja sy ny vatomasina dia isan’ny marika famantarana ny vodivona na ny menakely iray izay sahanin’ny taranak’Andriamasinavalona iray, miaraka amin’ny zo manisy tranomanara na tranomasina eo ambony fasana).

Marihina ihany fa telo mirahalahy ny zanak’Andrianjakazafindralambo no nonina teo Ambohimarirana, dia i Razakabezafy, Andriampanavalona ary Andriantsisahalaina. Koa rehefa nahazo an’Ambohimandrosohasina ho azy samy irery i Razakabezafy dia niadivan’ireo iray tampo aminy satria noheverin’izy ireo tsy tokony ho azy irery ny menakely. Nony nahare izany Andrianampoinimerina dia nampitsahatra ny fifandiran’izy telo mirahalahy ary nanamafy hatrany ny maha an-dRazakabezafy ny tany.

Ny tantaran'ireo Andrianan'Ambohimandrosohasina


Nanomboka teo dia lasa isan’ny tanan’ankavanana sady Mpanolon-tsaina akaikin’Andrianampoinimerina i Razakabezafy, hany ka nomen’ny Mpanjaka an’ity farany ho vady ny anabaviny tokana, dia i RALESOKA izany.

Razakabezafy dia niteraka fito lahy, ary maro koa ny vavy (tsy misy tamin-dRalesoka).

 Avy eo Ambohimandrosohasina ihany koa i RABODONIMERINA, isan’ny 12Vavy vadin’Andrianampoinimerina sady Andriambaventy, sy ANDRIAMAHERITSIALAINTANY anadahiny izay isan’ireo telo lahy lehiben’ny tafik’Avaradrano sady Andriambaventy ihany koa, napetrak’Andrianampoinimerina teo AMBOANTANY (RAFARAVAVINANDRIAMBELOMASINA zandrin’izy ireo kosa dia lazain’ny mpitantara sasany fa zanak’i Renibodonimerina tamin’Andriambelomasina, izany hoe tsy iray ray amin’iretsy ambony).Izy mianadahy ireo sy Razakabezafy dia zanak’olom-pianadahy iray tampo. Ny renin’izy ireo kosa, RENIBODONIMERINA, dia anabavin’ANDRIAMIARAMANJAKA Mpanjakan’i Kaloy ary rain’Andrianampoinimerina.

Andrianampoinimerina sy Rabodonimerina dia nanangana ireo zanak’i Rafaravavinandriambelomasina roa lahy, dia RABODOLAHY sy RAKOTOVAHINY izany.Tamim-boalohany dia i Rabodolahy no nokasain’Andrianampoinimerina handimby azy, kanefa nony hitany ny tsy fahombiazan’ny fihetsiny ary rehefa noazavain’ny mpanolon-tsainy ny sainy dia niantefa kokoa tany amin’i Laidama hatrany ny safidiny. Tezitra mafy tamin’izany Rabodolahy, hany ka nikasa hamono an’Ilaidama fa tsy nahomby. Nony kelikely dia nikiomy izy ka nifofo ny ain’Andrianampoinimerina mihitsy, saingy tsy tanteraka izany ka tratra izy ary dia novonoina.Rakotovahiny kosa dia napetrak’Andrianampoinimerina teo Ambohitrandriananahary.

Ny faralahin-dRazakabezafy, Ramena, dia niampanga lainga fa misakaiza amin-dRabodonimerina ny rainy (lazain’ny mpitantara sasany fa sendra mamo izy tamin’io fotoana io, kanefa tsy azo leferina koa ny nety efa fankahalany manokana an-drainy).Raha nahare izany Andrianampoinimerina dia tezitra mafy ka nampamono azy roa (inoana marimarina anefa raha banjinina ny tohin’ny tantara fa mety tsy ho didy mazava no navoakan’Andrianampoinimerina fa mety ho teny fanao rehefa entim-po izay noararaotin’ny sasany nony avy eo) . Tsy nisy sahy namono anefa i Razakabezafy, ka i Ramena zanany ihany no nandefona azy (misy fitantara iray milaza fa i Andrianavalona no nasaina nikendry azy fa tsy nahavita – marihina ihany koa fa raha ny tokony ho izy dia nokendaina tamin’ny lamba landy i Razakabezafy amin’ny maha Andriana azy, satria tsy azo alatsa-drà, kanefa dia hita fa tsy nohajaina izay fomba izay, porofo mitohoka amin’ny tendany fa dia fahamailahan-dRamena hamono an-drainy ilay izy.

Ary dia niteny mihitsy aza hono i Razakabezafy hoe “lefon-dRamena moa izany”). Voaporofo vetivety anefa fa lainga ity fiampangana, ka naniraka farany izay haingana i Andrianampoinimerina nefa tsy tratra intsony fa efa niamboho i Razakabezafy.Rabodonimerina ihany koa dia nampitondra ny fanazavana tany amin’Andrianampoinimerina saingy tsy tongan’ny iraka ara-potoana ka voavono ihany izy, nokendaina tamin’ny lamba landy.Nony nahare ireo toe-javatra ireo i Andrianampoinimerina dia nalahelo mafy ka nampamono an’ ilay mpamono am-badiny sy an-dRamena.Ilay toerana namonoana an-dRazakabezafy eo ambany atsimon’ny vohitra dia natao hoe ANJANAMIHOATRA.

Isan’ny zanak’i Razakabezafy i ANDRIANAVALONA, 8 Voninahitra (Lieutenant-Colonel amin’ny fanononana mari-boninahitra anglisy) izay Mpitari-tafik’i RADAMA I tany Iharambazaha (Vohémar) ary Komandy tany. Tsara ny manamarika fa maro ny olona manafangaro azy amin’ilay Andrianavalona izay mpitari-tafika nodorana velona (na ny boky sy firaketana samihafa aza) kanefa dia tsindrina etoana fa olona mitovy anarana ihany (ary heverina marimarina, araka ny fanamarihana nataon-dRAOMBANA tao amin’ny firaketana tantara izay nosoratany, fa dia i Andrianavalona rain’izy sy RAMANIRAKA kambana aminy, avy eo Anosy Avaratra (Anosimiarinimerina) ity nodorana velona ity). Araka ny tantara dia i Andrianavalona no nahitana ny tsy hilevenam-binanto ny fasan-drazana ao Ambohimandrosohasina.

Isan’ireo zafikeliny kosa i ANDRIANATORO, 13 Voninahitra izay Goverinora Komandy tany Mahajanga tamin’ny taona 1862, izay nanambady an’i Anarena,  zanakavavin’i Raboky, Mpanjakan’i Baly sy Ambongo (Menabe).

Tamin’ny nanaovana ny fanisana ireo vatan-dehilahy Andriandahy taranak’Andriamasinavalona (“Izy Mirahalahy avy”, Zazamarolahy, Andriamasinavalona) nantsoina ho miaramila tamin’ny taona 1840 dia i RAHAJARY (na koa ANDRIANAIVO RAHAJARY) zafin-dRazakabezafy ary zandrin’Andrianatoro irery ihany no hany nisolo-tena an’Ambohimandrosohasina.

Marihina fa tamin’ny nandraisan’ny Mpanjaka Ranavalona II ny fivavahana kristiana tamin’ny taona 1869 dia teo amin’ny vohitr’ Ambohimandrosohasina no nisy ny fiangonana voalohany nivavahan’ny fianakaviana sy ny mponina manodidina, izay vao nafindra teo amin’ny tananan’Ambodiala. Marihina ihany koa fa ny fianakaviana no anisany nanorina sy namolavola hatranihatrany ity fiangonana faharoa ity

Ireo tantaram-pianakaviana sy zavatra mampiavaka an'Ambohimandrosohasina


a)Ireo fady amin’ny vohitra

Toy ny ankamaroan’ny vohitr’Andriana dia tsy azo iakarana kisoa na tongolo ny eo Ambohimandrosohasina. Fa manana ny fadiny manokana mampiavaka azy ihany koa izy, dia ilay tsy fahazoana miteny ny teny hoe “sira” rehefa eo amin’ilay vohitra.

Araka ny fitantaran’ireo ray aman-dreny teo aloha dia nisy izany Razambe natao hoe RASIRA izany hono teo ka mamingavinga azy hono ny manonona ny hoe “sira”, koa raha toa ka hilaza an’ilay izy dia tsy maintsy atao hoe “fanasina”ny anarany.

b)Ny maha tsy idiram-binanto ny fasam-pianakaviana

Maro no mihevitra fa noho ny maha-Andriana na koa noho ny lova tsy mifindra toy ny misy amin’ny fianakavian’andriana rehetra no tsy ahafahan’ny vinanto milevina ao amin’ny fasan-drazana ao Ambohimandrosohasina. Kanefa misy ny tantara manokana ny amin’ny nahatonga izany raha ny teo. Tamin’ny fotoana niakaran-dRabodonandrianampoinimerina (Ranavalona I) teo amin’ny fitondrana dia nampamonoin’ity farany ireo havam-badiny (havan-dRadama I) akaiky rehetra izay noheveriny hanalokaloka azy amin’ny fanjakana toa an-dRaketaka zanak’i Radama tamin-dRasalimo, na koa i Rakotobe zanak’anabaviny izay tokony nanjaka rehefa niamboho izy, i Ratafika rahalahin-dRadama hafa ray na koa i Ramanetaka Komandy tany Mahajanga izay afa-nitsoaka ihany.

Isany akaiky an-dRadama ihany koa fony fahavelony i Andrianavalona, 8 Voninahitra, zanak’i Razakabezafy, izay Komandy tany Iharambazaha, koa mora dia mora ny nifofo ny ainy tamin’izany vanin’andro izany tamin’ny alalan’ny tsaho. Araka ny tantara dia tsy iza fa ny vadiny ihany no nampiely ny lainga fa dia mampijaly vahoaka fadiranovana hono i Andrianavalona any Iharambazaha any.

Nony nahare izany i Ranavalona I dia nandray fepetra, ka dia nampinomina alika i Andrianavalona (izany hoe nampisotroina tangena ny alika mba ahafantarana ny fahamarinan’ny fampiangana, koa raha maty ilay alika dia tena meloka izany ny voapanga, fa raha velona kosa dia afaka madiodio izy). Nony avy nisotro ilay tangena anefa ilay alika dia velona soa aman-tsara ihany, ka dia afaka madiodio izy.

Noho ny toetra ratsim-badiny izay nikasa ny hampamono azy izany dia notinapaka teo fa dia tsy mahazo milevina ao am-pasam-pianakaviana ny vinanto.

d)Ny amin-dRamena

Vao niamboho kelikely i Razakabezafy no izay vao tonga ny iraka avy amin’Andrianampoinimerina milaza fa tsy meloka izy. Tezitra sy nalahelo mafy ny Mpanjaka, hany ka te-ahafantatra ilay namono azy mba hovonoina koa. Novalian’ny iraka hoe i Ramena zanany ihany no nahavanon-doza, ary dia nivoaka ny didy fa hovonoina ity farany.

Nony maty i Ramena dia nanindry mandry an’Andrianampoinimerina tamin’ny nofy ka nanontany hono hoe “nahoana aho no novonoina nefa ialahy ihany no nampamono?”. Satria moa tsy fanao ny manindry mandry Andriamanjaka dia nasain’Andrianampoinimerina nofongarina ny fatin-dRamena ka nodorana ary naparitaka ny lavenona.Taloha kelin’ny nampamonoan’Andrianampoinimerina an-dRamena dia nisy hono volamena iray vilany nalevin’ity farany tao atsimon-trano tao Ambohimandrosohasina.

Misy milaza fa i Andrianatoro koa hono dia nitondra volamena avy any Maevatanana ary dia nafeniny tanaty rindrina, ary efa nadian’ny zafikeliny hono taty aoriana.