ANOSIARIVO

avy amin'i Tavaradrano
Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:
Aiza moa Anosiarivo ?
Ramisamanjakarivo no tao Anosiarivo
Ny menakely sy ny anjaran’ny Mpanjaka
Ny taranaky Ramisamanjakarivo
Ny rova sy ny fasana fitomiandalana
Ny tanàn’Anosiarivo ankehitriny

Aiza moa Anosiarivo ?


Anosiarivo dia tanàna eo andrefan’ny tany lemaka Sahafa. Amboatany no eo ambony avarany somary atsinanana. Ny anarany tanteraka dia Anosimanjakarivo.

Tanjona saika nosy izy io fa heniheny na tanimbary ny atsimo, ny atsinanana, ny andrefana

Ramisamanjakarivo no tao Anosiarivo


Ny nonina teo voalohany dia Ramisamanjakarivo zanak’i Rangorinimerina iray tampo tamin’Andriambelomasina raiben’Andrianampoinimerina izy.

Ny antony nametrahana an-dRamisamanjakarivo teo Anosiarivo dia ny hiambina ny vava-tany atsimo tamin’Antehiroka fony mbola tsy azon’Andrianampoina izy io. Ny Antehiroka dia mitondra lakana nitsaka tao Anosiarivo ka nandroba sy namabo teny. Tsy afaka nanao izany intsony izy nony tonga tao Ramisamanjakarivo, fa nitondra basy aman-defona marain-tsy hariva izy misava ny moron-drano rehetra, ka dia nandry avaradrano.

Rehefa nonina tao Anosiarivo Ramisamanjakarivo dia nasiany hadivory ny tanàna , vavahady vato roa avy ao atsimo, aviavy betsaka manodidina ny hadivory. Eo ampovoan-tanana misy vava rova efajoro, nisy lapa tranokotona, avo tapenaka migaom-baravarana, avo tokonana, izay nomena anarana hoe Tsiampiandaza.

Matin’ny nendra  Ramisamanjakarivo ka tsy mba milevina ao Anatirovan’Anosiarivo. Ery amin’ilay  tanàna kely farany avaratra amin’ny Menakeliny, atao hoe Ambohinomena (nafohezina ho Ambohinome) izay rakotry ny amontana no ilevenany, fa tanànany koa io.

Ny menakely sy ny anjaran’ny Mpanjaka


Ny faritrin’ny menakelin’Anosiarivo dia Anosikely; Ambohinome, Ambohibe. Kely ihany izy fa rehefa norefesin’Andrianampoinimerina dia 30 tainga monja.Izany no nanomezany azy menakely ihany koa any Tsirangaina any Tantsaha.

Ny terak’i Ramisamanjakarivo no mandray ny hajia harompotsy, isam-pangady, vodihena, haren’ny maty momba izay isasahana amin’ny mpanjaka.; ny kirobo isan-dapa, ny sikajy isan-drain-jaza, ny variraiventy isan’olo-miaina.

Ireto kosa dia ho an’ny mpanjaka. Ny hetra dia vary indroan’ny vata isam-pangady, izany hoe isan-dehilahy rain’ny fianakaviana. Ny lehilahy manana tanimbary kosa dia mandoa ny isam-pangady , dia vary  3 vata  isam-pangady izany. Ny lohombitany dia tsy mba andoavan-ketra na anomezana isam-pangady. Eo an-tokotanibe no andraisana ireo hajia isankarazany ireo, araka ny riba fahizay.

Ny taranaky Ramisamanjakarivo


Zazamarolahy, satria zana-dehilahy ny andrianan’Anosiarivo. Ireto ny zanaky Ramisamanjakarivo:

1 – Andriantomponavalona

2 – Andrianavalona

3 – Andriamparana

4 – Rahisatra

Rahisatra dia nalain’Andrianampoinimerina ho vady rehefa nalana ondrana. Napetrany teo Ifandana ambony atsimon’Anjeva izy, ary niteraka an-dRatsararay.

Fanaon’Andrianampoina ny manapoaka tafondro iray vava eo Maritampona isaky ny ho any Ambohimanga izy. Maritampona dia mifanitsy amin’Anosiarivo, ka anton’ny poa-tafondro eo dia ho fiarahabana an-dRamisamanjakarivo rahalahin’Andriambelomasina raibeny.

Ny rova sy ny fasana fitomiandalana


Teo andrefany lapa  dia misy kianja ijoroan’ny vato masina, fanaovan-dRamisamanjakarivo sy ny taranany saotra omby isam-pandroana. Eo atsinanan’ny lapa misy fasana fitomiandalana, araka ireto:

1 – Ramboatsimandrasa

2 – Ravivy

3 – Ravaribe

4 – Razakandriampinoana

5 – Andriantomponavalona

6 – Rakalobe

7 – Rakelimaso

Ralaitsirofo, lehiben’ny Andriambaventy, ary zanak’Andriantsimandrasa, dia  andrian’Anosiarivo. Lehilahy hendry ,manan-tsaina, ary mpivavaka tsara fanahy Ralaitsirofo. Nony maty izy dia nalevina tamin’ny fomba fanajana manetriketrika tao Anosiarivo. Fasana farany avaratra ao Anatirovan’Anosiarivo no misy azy. 

Rakalobe (zanak’olo-mianadahy amin-dRalaitsirofo) dia tera-behivavy satria avy amin-dRatsararay zanakavavin’Andrianampoina izy, ka dia zazamarolahy izy, satria tera-dehilahy avy amin-dRamisamanjakarivo. Nisy nampitranga hevitra tamin’i Rainilaiarivony hanangana an-dRakalobe ho mpanjaka, taloha kelin’ny nifidianana an-dRazafindrahety (1883). Nolavin’ny Praiminisitra Rakalobe fa efa zokinjokiny sady maro anaka (Razafindrahety dia sady tanora no tsy niteraka).

Ny tanàn’Anosiarivo ankehitriny


Nony nazava ny tany dia nanorenana  fiangonana protestanta tao Anosiarivo, izay mbola ao mandrakankehitriny. Ny rova sy ny lapa kosa dia samy efa nirodana sy rava avokoa.

Misy sekolim-panjakana eo Anosiarivo ankehitriny.