FIAKARANA[1]

avy amin'i Tavaradrano
Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:
Aiza moa no misy an'i Fiakarana ?
Ny nahatonga ny anarana hoe Fiakarana
Ny zavatra iray nampiavaka an'i Fiakarana

Aiza moa no misy an'i Fiakarana ?


Tanàna kely iray ery avaratr'Ambohidratrimo, eo amin'ny 21 km eo ho eo avy eo an-drenivohitra, mihazo ny lalana manakany amin’ny seranampiaramanidina Ivato, somary miankandrefana avaratra tokony ho 6 km avy eo amin'ny seranampiaramanidina.

Ambohidrazaka no anarany fahizay, satria ny nanorina azy dia Razakanavalondralambo izay zanaka vavin-dRanavalontsimitoviaminandriandehibe.

Ranavalontsimitoviaminandriandehibe dia nonina tao Anosimanjaka, ary niteraka efa-bavy:

  Razakanavalon-dralambo (Fiakarana),

  Ravalomanandrianjaka II (Ambohidratrimo),

  Ramanitrandriantsimitoviaminandriandehibe (Namehana),

  Rapapangosasakinivorona (Ambohitsoa).

Ny tanàn'Ambohidrazaka dia niorina teo amin'ny taona 1675 teo ho eo, fotoana nanjakan'Andriamasinavalona tao Antananarivo.

Ny nahatonga ny anarana hoe Fiakarana


Tato aoriana dia naidina teo ambanimbany ny tanàn'Ambohidrazaka, eo ambody fiakaran'ny vohitra indrindra. Inona no Antony ? Razakanavalondralambo dia vehivavy. Ny vehivavy no nanjaka teny, ary hatrany hatrany dia ny zana-behivavy ihany no nandova fanjakana. Ny vehivavy aza hono no maka vady. Ary izy ireo no mitso-drano mandrak'ankehitriny raha misy ilana izany. Nanambady an-dRazakanavalondralambo teny hono izany Andriamanjakatokana izany.

Tokantrano moa tsy ialan-dromoromo. Indray andro, velona ny beroberoka isarahana. Lasa andriamatoa nifindra teny Anosivato. Io moa dia vohitra iray ery atsimon'Anosimanjaka ery, ary mifampitazana tsara amin'Ambohidrazaka. Ela ny ela, indray andro nanembona Razakanavalondralambo. Velona ny baiko, "ampidino ny tanàna !", hoy izy dia nafindra teo ambody fiakarana.

Araka ny toro-hevitra nomen'ny mpanandro dia nasain-dRazakanavalondralambo nanao faribolana ny mponina. Izany hoe : nanao boribory mifandray tànana ary ny faritra vitan'izay no nohadiana, nanaovana hady mamaritra ny tanàna ary ny tanàna dia nitondra ny anarana vaovao hoe Fiakarana.

Tamin'ny andro fahagola, voalaza amin'ny boky iray ao amin'ny Akademia Malagasy, dia zato tafo Fiakarana.

Ny zavatra iray nampiavaka an'i Fiakarana


Tonga teny Fiakarana Andrianampoinimerina nanao famotorana momba ny saika hamonoan'olona an'Andriamaharetsialaintany zandriny (Ndlr : nonina teny Amboatany), noho ny fialonana. Rehefa voamarina fa fialonana fotsiny no antony, dia nandidy izy fa omeny tombontsoa mihoatra an'Imerina i Fiakarana ary nohamafisiny ny tenin'Andriamasinavalona fa ny tongomihoko sy ny hetra rehetra dia an'ny andriana rehetra eto Fiakarana fa tsy azon'ny Mpanjaka kasihina ary asiana trano fitsarana eo, ka ny fitsarana izay vitan'ny andriana ao dia tsy azo akana fitsarana ambony intsony.

Ary na inona na inona ady heloka dia vita eo Fiakarana, afa-tsy ny manameloka ho faty. Ka dia notanterahina teo Fiakarana ny fitsarana sy ny tranomaizina ary tsy rava raha tsy tafiditra teto ny Frantsay.


[1]Ity tantara fohifohy ity dia norafetina tamin'ny lovantsofina sy ny rakiteny nosoratan'ny Andriana Rakotomanga Evariste, Ben’ny Tanàna Malagasy voalohany teny Ambohidratrimo ary milevina ao Fiakarana.