ANDRIAMANGARIRA, ANTSAHADINTA

Avy tamin'i Tavaradrano
Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:
Ny ray aman-dreny niteraka azy
Taranak'Andriamasinavalona Andriamangarira
Ny zanak’ Andriamangarira
Ny taranak'Andriambolamena

Ny ray aman-dreny niteraka azy


Ravololondrenitrimo, anabavin'Andriamasinavalona, dia nanambady an'Andriandambo (Andriatompokoindrindra avy any Ambohimalaza) ary niteraka an'Andriandambozozoro sy Andrianjakatrimo.

Andriandambozozoro kosa dia nanambady an'an-dRasohanamanjaka na Rasohanana, zanakavavin'Andriamasinavalona. Niteraka maromaro izy ireo, ka isan'izany :

 Andriamangarira,

 Rafonizozoro,

 Rabiby,

 Andriamalama,

 Ranosy.

Taranak'Andriamasinavalona Andriamangarira


 Andriamangarira, no naka toerana sy fanjakana Tao Antsahadinta. Izy no andriana voalohany indrindra nanjaka tao. Izy no nanamboatra ny tanàna; izy no nanao ny hadivory sy ireo vavahady[1]. Niara-belona tamin'Andriambelomasina, mpanjakan'Ambohimanga, Andriamangarira. Na izany na tsy izany, dia niainga tamin'Andriandambozozoro daholo na Rafonizozoro, izay samy taranak'Andriamasinavalona.

Ny zanak’ Andriamangarira


Ireto avy no zanak'Andriamangarira :

 Ramakilahy, lahimatoa, nipetraka tao Ankadinanahary, Atsinanan'Antsahadinta ;

 Andriambolamena, lahiaivo, nanjaka teo Antsahadinta dia nafindra tao Ambohitsoa vao tao Ampahatelo (lasa ho Miadanimerina taty aoriana) ary miamboho tao Tanambao Ambohitsoa, Atsimon'i Maizinandro ;

 Raseheno, nonina tao Morarano, Maizinandro ;

 Ranivofotsimanjaka, tao Ambohimahamanina, avaratr'Antsahadinta.

Ny taranak'Andriambolamena


Singanina manokana ny taranak'Andriambolamena, Ramboabe Andriampingarivo tao Miadanimerina nifindra tao Miantsoarivo izay niteraka an'

 Andriamontandraisoa tao Ambatomahabodo sy Finaritra ;

 Andriapakatro, mpitari-tafika, izay nomen-dRadama I faritra iray tiany teo anelanelan'ny reniranon'i Onive sy Ihazolaza (Soavina sy Ambohimandroso gara) izay antsoina ankehitriny hoe Anjanamangarira. Io faritra io dia ao anatin'ny faritra nomen'Andrianampoinimerina NY tarana-dRangorinimerina avy ao Tsirangaina. Ankoatra ireo, dia nitatra hatrany Soanindrariny sy Antsirabe ary Miantsoarivo ny taranaka.