ANDRIAMASINAVALONA

Avy tamin'i Andriamiaramanjaka Ny Kaloy sy Tavaradrano
Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:
Ny ray aman-dreny niteraka an’Andriamasinavalona : Andriandamboharihasina sy Rafaravavy (Rampanananiamboninitany )
Ny amin’Andriandamboharihasina , rain’Andriamasinavalona
Andriamasinavalona : zanabehivavy

Ny ray aman-dreny niteraka an’Andriamasinavalona : Andriandamboharihasina sy Rafaravavy (Rampanananiamboninitany )


Andriamasinavalona  dia tsy zanaka naterak’Andriantsimitoviaminandriandehibe fa zaza natsangany. Eo imason'ny Bemihisatra no zanany Andriamasinavalona fa raha ny marina dia Zanatompo izy.

Nanambady roa Andriantsimitoviaminandriandehibe [1]:

·ny vadiny voalohany dia  Ratompoimbahoaka zanaka vavimatoan-dRatompoindrahondriana (zanak’Andriantompokoindrindra ) ;

·ny vady faharoa dia Ramahafoloarivo .

Tsy niteraka anefa Ratompoimbahoaka ka naka ho rafy ny zandriny atao hoe Rafaravavy Andriantsimitoviaminandriandehibe.

Efa nanambady Rafaravavy izao nakarin’Andriantsimitoviaminandriandehibe izao ary efa nitoe-jaza tamin’Andriandamboharihasina avy ao Ambohimalazabe izy. Io Andriandamboharihasina io no ray niteraka an’Andriamasinavalona .

Niova ho Rampanananiamboninitany ny anaran-dRafaravavy rehefa niteraka an’Andriamasinavalona izy teny Ambohitsaratany atsimon’i Ambohimanjaka eny Ambohimalaza izany. Andrianjakanavalondralambo no anarana nentin’Andriamasinavalona fony izany.

Ny amin’Andriandamboharihasina , rain’Andriamasinavalona


Andriandamboharihasina izany no rain'Andriamasinavalona .

Andriandamboharihasina dia zanak’i Andriandambotanimarina.

Ravaomasina, anabavin’Andriantompokoindrindra , no niteraka an’ Andriandamboharihasina .

Andriamasinavalona : zanabehivavy


Ramahafoloarivo (vady faharoa) indray dia niteraka telo tamin’Andriantsimitoviaminandriandehibe . Ireto avy izany:

·Andriandambotsitakatrandriana (Analamanga),

·Andriandambomanafika (Ambohimanga),

·Andrianjakaralambo .

Tapaka teo amin’Andriandambotsitakatrandriana nitondra tapany ny zanadehilahy avy Andriamanelo fa efa niampita any amin’ny zanabehivavy ny mpitondra hasina (dia ireo zanakanabavin’Andriantompokoindrindra izany.

Naka ny fitondrana Andriamasinavalona teo Alasora, niaraka tamin’Andriamanelo (zanak’olom-pianadahy aminy) sy Andriamampandry Hovalahy avy amin’ny Zafimbazaha.


[1] Dokotera Rasamimanana Joseph sy Razafindrazaka Louis, Andriantompokoindrindra , takila faha-24, Ambohimalaza, 1909.