RALAINANAHARY, KALOY

Raha misy fanitsiana tianao hatao, dia adikao ity, itsio ary alefaso aviavy@ymail.com
Hohitanao ato:

 

Ralainanahary dia zanak’Andrianampoinimerina sy Rabodo. Rabodo dia napetraka teny Ambohimalaza ary nafenina eny Kaloy. Nanambady maro Ralainanahary, ka ireto avy izany :

1.  Andriamasy izay niteraka an-dRabodomanjaka ka eny Ambatofisaorana ny momba azy. Rabodomanjaka dia nanambady an-dRafaralahimanjaka ary niteraka an'ireto:


- Ramena nafenina eny Ambohijanaka ;

- Randiantsoa nafenina eny Kaloy ;

- Ravoninavalona nafenina eny Kaloy ;

- Ratambatambazana nafenina eny Ambohimanga ;

- Razafinjanahary nafenina eny Kaloy ;

- Ratsimiheva.

2.  Ramanjaka izay niteraka an-dRamanjakaraibe ka eny Ambohitrandriananahary ny momba azy.

3.  Rafaravavimasina izay niteraka an-dRahetilahy ka eny Ambohimasina ny momba azy.